Namono olona tao Antsirabe indray ny hatsiaka sy hamamoana diso tafahoatra.
Lehilahy iray, 56 taona, no hitan’ny olona maty irery teo amin’ny lavarangan’ny Tranoben’ny kolontsaina ny marainan’ny alatsinainin’ny pentekosta teo. Raha ny nambaran’ireo nahafantatra azy dia nijery hiragasy tao amin’ny kianjan’ny Immacullée Conception ity ranamana ity ny alahady ary hitan’ny rehetra fa nisotro ary tena mamo tampona tokoa rehefa nirava ny hiragasy. Tsy nisy nahita izay nodiany moa ny maro fa samy nanana ny lalany saingy ny razana efa hitan’ny olona no nahatonga ny resaka. Hiaraha-mahalala fa tena mamirifiry tanteraka ny hatsiaka ao Antsirabe, indrindra amin’ny alina ka tombanana fa ny hamamoana niharo hatsiaka no nahafaty azy rehefa tsy nisy namadibadika. Tandremo ihany ry zalahy an !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.