Tsy hoe ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa akory fa somary mamirifiry ny hatsiaka ao Antsirabe amin’izao fotoana. Lasibatra amin’izany ireo tsy manan-kialofana sy mpatory eny amoron-dalana. Raha ny tranga niseho ny alarobia 04 jona dia lehilahy iray tokony ho 40 taona teo ho eo no hitan’ny olona maty nitsirara teo an-tsisin-dalana tao Antsahakely. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso dia hitan’ny olona somary nisotro izy ny hariva ka asa raha mamo na tsia ka tafatory an-dalana ary dia nasian’ny hatsiaka ka tsy nifoha intsony. Taorian’ny fitilian’ny BMH sy ny mpitadro filaminana moa dia nalain’ny havany ny razana ka fantatra fa toa mpitari-posy no asan’ity lehilahy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.