Lohahevitra maromaro no nentin’ingahy Hatrefindrazana Jerry, solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’i Tolagnaro ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa raha tiana hisy marina ny fandriampahalemana dia ny fampihavanana ireo samy mponina mpiray tanŕna, ary ny fampiharana ny dina iraisana ary eken’ny rehetra no vahaolana mahomby....
Misy ny hetsika « coup d’arrêt » ataon’ireo mpitandro ny filaminana saingy misy fetrany ihany, hoy ity olom-boafidy ity. Misy ihany ny tranga mampalahelo ataon’ireo mpitandro ny filaminana sasany, iray amin’izany ny tondro molotra fotsiny dia itifirana olona, eo koa ny taratasy fanomezana vaovao tsy marim-pototra ary tsy misy anarana. Ilaina ny fanaraha-maso akaiky ny asan’ireo mpitandro ny filaminana ratsy sitrapo. Nanome toky ingahy H. Jerry fa hezahina haverina amin’ny laoniny ny fandriampahalemana. Efa hita porofo izany taorian’ny fandaminana ny fandoroana ny tanànan’i Marovato kaominina Enakara vao tsy ela akory. Mahakasika ny fanondranana ireo hazo saro-bidy, niaiky izy fa mbola maro ireo toerana sy saika amoron-dranomasina no ahitana boaderozy miparitaka. Mbola maro ihany koa ireo hazo vaovao vao nokapaina. Anisan’izany ny ao Mokala kaominina Sarisambo, ny ao Antsotso kaominina Iaboakoho ary ny ao Manambato kaominina Manantenina. Efa mahafantatra ny fisian’ireo bolabola an’arivony ireo ny tenany sy ny tompon’andraikitry ny tontolo iainana ary ireo mpitandro ny filaminana. Novakiany bantsilana fa tsy hanaiky izay fangalarana harem-pirenena mety mbola hataon’ireo olona na andian’olona ny tenany. Mbola nasiany teny ihany koa ny mahakasika ny « corail noir » izay mbola misy mangalatra. Ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny iny distrikan’i Tolagnaro, nambarany fa efa mandeha avokoa hatramin’izao ny fifandresen-dahatra ho amin’ny fanamboarana, RN12A (Tolagnaro - Vangaindrano). Ankoatra ny lalana, hovaina tetezana avokoa, hoy izy ireo baky-05. Ovaina miandalana kosa ny sisa. Ny RN13 (Tolagnaro -Ihosy), efa nanome toky ny filoham-pirenena ny amin’izy iny ary hanao izay farahery hanetsehana izany ao anatin’ny fotoana fohy ny tenany amin’ny maha solombavambahoaka azy. Tsy maintsy hojerena ny mahakasika ny famatsian-jiro sy ny famatsian-drano ho an’ireo kaominina hafa mila izany. Manentana ny vahoaka ny tenany hiray hina hifanome tanana ho amin’ny tsaratsara kokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.