Actualités

Hatakalo olona 1 ny kaompania nasionaly ?


  • Alatsinainy 29 Jona 2015

Misy antony goavana matoa mijoro sy tsy manaiky lembenana ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny Air Madagascar.

 Raha ny filazan’izy ireo dia tsy hiray tsikombakomba amin’ny famonoana ity kaompaniam-pitaterana anabakabaka ity izy ireo ka tsy maintsy miteny ny zava-misy marina. Ho setrin’izay anefa dia terena hangina amin’ny fomba rehetra ireto mpiasa mitaky ny mangarahara ireto.

Fanahy iniana vonoina ?

Tsy vitsy ireo mpandinika ny raharaha ara-toekarena no efa nilaza  ombieny ombieny fa fanahy iniana vonoina mihitsy ny Air Madagascar. Ny antony dia satria noho ny tombontsoan’ny kompania hafa te hiditra sy hiasa eto amintsika. Azo anaporofoana izany, ohatra, ny fividianana na fanofana fitaovana efa tsy misy mpitia intsony any ivelany satria mamono antoka (fiaramanidina Airbus tamin’ny tetezamita). Lafo ny vola aloa amin’ireo fiaramanidina Airbus roa kanefa tsy arakarak’izay akory ny vokatra azo avy aminy ary matetika aza izy ireo no misy olana teknika. Ny Airbus mbola trosa be efaina mandritra ny taona maro dia efa nisisika naka fiaramanidina ATR roa hafa indray ny fitondram-panjakana, ka ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar sady tale kabinetran’ny filohan’ny repoblika mihitsy no somebiseby tamin’ny fikarakarana ity afera vaovao ity. Efa mandeha ihany koa ny resaka ankehitriny fa taorian’ny nanomezana ny fitantanana ny seranam-piaramanidina rehetra ho ho an’ny vahiny dia hamidy ihany koa ny asa kely mba mampidi-bola sy tsy mamono antoka ny Air Mad tahaka ny “Handling” sy ny “bagage”, izany hoe ny asa mikasika ireo olona mikarakara ny mpandeha eny amin’ny seranam-piaramanidina.

Tombontsoan’olon-tokana

Milaza ny mpitondra fanjakana fa sarobidy ny Air Madagascar. Nahoana anefa no olona iray no arovana mafy sy tsy azo soloina ? Nahoana no tsy misy fandeferana fa dia ny mpiasa mitaky ny zony sy ny mangarahara no rahonana sy ampidirina am-ponja ? Fitakiana sendikaly no natao koa nahoana no firaisana tsikombakomban-jiolahy, fanapariahana vaovao tsy marina no vesatra iampangana ireo mpiasa ? Mbola maro anefa no mino sy manantena fa raha misy fihetsika kely fotsiny ataon’ny fitondram-panjakana dia hilamina io olan’ny Air Madagascar io. Vahaolana no tokony hokarohana ka tokony hampanginina ny hambom-po sy ny fanenjehana poakaty satria fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena tsotra izao ny famonoana ny Air Madagascar mba hidiran’ny kaompania vahiny tsimoramora eto hanao ampihimamba ny fitaterana anabakabaka.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT