Actualités

Hasarotam-piaro Zandary nitifi-tena rehefa avy nitifitra ny vadiny


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014

Zandary iray miasa any amin’ny distrikan’i Morafenobe no nitifitra ny tenany rehefa avy nitifitra ny vadiny, ny zoma 01 aogositra teo

 Tsy fantatra marina moa izay nahazo ity mpitandro ny  filaminana ity na vokatry ny hamamoana na hasarotam-piaro no nahatonga azy nanao izao fihetsika izao. Raha ny fanazavana azo avy any an-toerana dia tsy mbola nahitana  fifamaliana teo amin’izy roa ireto ary ilay rangahy koa tsotra ihany ny fahitan’ny manodidina azy. Naratra mafy  ilay vehivavy ka nentina  faingana tany amin’ny hopitaly. Noho ny fahaverezan-dra be loatra anefa dia tsy tana intsony ny ainy teny an-dalana. Tetsy an-kilany,  na dia naratra mafy aza  ilay zandary dia avotra ihany ny ainy saingy tsy vitan’ny mpitsabo tany an-toerana ka voatery nakarina aty an-drenivohitra. Raha ny vaovao azo farany dia efa misokatra ny fanadihadiana ny raharaha.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT