HASAROTAM-PIARO TAFAHOATRA

Nopotehin’ny olon-tiany ny tarehin’ilay vehivavy


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Vehivavy iray 31 taona no vaky rà noho ny vono sy daroka nataon'ny olon-tiany azy ,

tao amin'ny fokontany Ambohimiadana Morondava, kaominina Ambohibao, ny alin'ny Alahady teo. Saika potika ny tarehin'ilay vehivavy ary nihoson-drà tanteraka. Noho ny hasarotam-piaron-dralehilahy no voalaza fa anton’izany. Tsy idirana ny ambangovangon'ny ady ho fanajàna ny fiainana manokana saingy toherinay kosa ny herisetra, indrindra ny vono sy daroka miteraka ratra tahaka izao, hoy ny zandarimariam-pirenena.Tsy maintsy nosamborina ilay lehilahy noho izany ary hiatrika fanadihadiana. Nohamafisin’izy ireo moa fa misy lalàna mifehy ny fikasihan-tanana tahaka izao izay tokony ho anatra ho an'ny hafa.
Pati
Legende : Naratra mafy tahaka izao ny endrik’ilay vehivavy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT