Actualités

Hasarotam-piaro Ramatoa bevohoka 3 volana notondrahan’ny rafivaviny asidra


  • Talata 10 Jona 2014

Nitady am-badiny haka volan-jaza sy hikarakarana ny tokantranony no nivoahany ny trano, loza amin’atambo no nanjo an’i Roavavy Olivier Stanislas.

 Notobahan’ny rafivaviny asidra ny tavany sy ny vatany ka nitsovaka tanteraka. Lehibe ny fahavoazana. Tsaboina ao amin’ny hopitaly be Toamasina ity ramatoa 17 taona ity izay mitondra vohoka telo volana tamin’ny fotoana nahavoa azy. Iray volana lasa izay no nisehoan’ny habibiana. I Roavavy no tompom-bady, fa ilay vadiny no nampirafy azy tamin’ilay ramatoa nanondraka asidra azy. Ny zoma teo dia tonga nanolotra fanampiana ho azy ramatoa Thirionet Marinah izay zanak’i Toamasina monina any Eoropa, niaraka tamin’ny vadin’ilay teratany Ivoarianina mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena ao amin’ny klioban’ny CSKA Moscou, Seydou Doumbia tonga miala sasatra ao Toamasina ankehitriny. Ho fifanampiana amin’ny samy reny sy amin’ny maha olona no nitondrany izao fanampiany izao. Tonga nitsidika sady nanolotra fanampiana ara-bola ho an’ity ramatoa traboina ity ihany koa ireo tanora atambatry ny tambajotra sosialy facebook mivondrona ao anatin’ny fikambanana “Ino Maresaka à Tamatave” sy ny mpikambana any Eoropa sy avy any Koweit. Tsy hifarana hatreo ny hetsika hataon’izy ireo, fa misy koa ny fanangonam-bola ataon’ny mpikambana hanampiana ny EPP Analamalotra izay “tranon’omby” no ianaran’ny mpianatra amin’izay koa mbola manoratra amin’ny tany fa tsy ampy dabilio, nefa tsy 7km miala an’i Toamasina monja no misy azy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT