Any am-ponja amin’izao fotoana izao ilay rangahy namono nahafaty ny zanany sy ny andefimandriny, vaovao efa notaterina teto ihany. Raha tsiahivina, Naka hazo fanaovana trano na golety tany akaikin’i Mandena maroamalona izy telo mianaka
Tsy niverina anefa izy mianaka ary tsy hita ihany koa ny nanjavonan’ilay raim-pianakaviana. Araka ny vaovao azo farany dia ireo security G4S manakaiky ny toerana fitrandrahana fasimainty an’ny « rio tinto » no nahita azy ireo farany. Nohadihadian’ny mpitandro ny filaminana tao maroamalona ny “gardiens”-n’ny orinasa. Etsy andanin’izay, nandevina azy mianaka ny fianakaviany. Ilay rangahy andefimandriny, tsy hita ny nanjavonany. Ny hariva, fotoana nampangina ny tanàna, tonga nijokojoko namonjy ny tokantranony ilay rangahy. Betsaka ny nahatsikaritra azy. Olona tsara sitrapo no nampilaza avy hatrany ny mpitandro ny filaminana tao Bazaribe. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny polisy. Nosamborina ilay raim-pianakaviana. Nanontaniana ny zava-nisy. Maro mantsy ireo niahiahy fa anisan’ny tompon’antoka tamin’ity habibiana nahatsiravina ity ilay rangahy. Raikitra ny fakana am-bavany, niezaka nanadio tena teo imason’ny mpanao famotorana ho tsy mahalala ny mahakasika ity habibiana ity izy, saingy niaiky ihany ny farany fa tena izy tokoa no namono ny vady aman-janany. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nilazany fa noho ny feo miely fa tsy zanany ilay zaza no antony nanapahany ny tendam-bady aman-janany ka nahafaty azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.