Harilala Ramanantsoa

«Ny olona rehetra dia teren’ny lalàna hanadio sy hanatsara ny manodidina azy!»


  • Alakamisy 24 Aprily 2025

Ny talata 22 aprily 2025 teo dia nitety ny tanànan’Antananarivo niaraka tamin’ireo mpanao

gazety ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Harilala Ramanantsoa, sy ny ekipany nijery ireo asa fanarenana ity renivohitr’i Madagasikara ity. Araka ny fanazavany dia isan’ny tetikasa apetraka ato ho ato ny antsoina hoe «Plafond végétale», izany hoe fametrahana zava-maniry mitroka entona karbaonina eny an-tampon’ireo tonelina eto Antananarivo. Iaraha-mahalala, hoy izy, fa feno loto na «pollution» anatin’itony tonelina itony ka heverina fa ilaina izany. Efa mandeha kosa ny asa fanentanana ireo mponina tsy hizatra hanarinary ny fakon’izy ireo, toy ny harona tsy lena na «sachet plastique» sy tavoahangy eny rehetra eny. Isan’ny tena naha be asa ny teo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo ny nanala ireo peta-drindrina satria isan’ny tena sarotra ny mitaiza ireo olompirenena hametraka azy ireny amin’ny toerana voatokana ho an’izany. Napetraka ho fanamby ho an’ireo sefo fokontany ny fanalàna azy ireny satria sady mandoto no mandany fotoana ary mandany vola ny manala azy ireny. Dingana voalohany izao natao izao nametrahana aloha ireo toerana voatokana ho an’ny mpandeha tongotra na «passage pour piéton». Napetraka amin’izy ireny ny polisy monisipaly mba hanoro sy hampahatsiahy ny olona fa eny no fiampitàna. Isan’ny manatsara ny endriky ny tanàna koa ny fandokoan’ireo olon-tsotra, minisitera, sehatra tsy miankina ny manoloana ny tranony. Misy didim-pitondrana anivon’ny kaominina na «arrêté municipale» mametraka fa ny olona rehetra dia teren’ny lalàna hanadio sy hanatsara ny manodidina azy, hoy hatrany ny ben’ny tanànan’Antananarivo!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT