Actualités

Harena ankibon’ny tany Ankafizin’ny Sinoa ny vato eto amintsika


  • Zoma 20 Jona 2014

Nanomboka omaly ilay hetsika, «Salon International des Mines, des Hydrocarbures, et des Equipements». Eny amin’ny Centre de Conférence Internationale Ivato no hananterahina izany hatramin’ny rahampitso. Handraisana ireo mpisehatra rehetra momba ny fitrandrahana eto amintsika moa ity hetsika ity. Tsy mijanona ho an’ny mpandray anjara malagasy ihany anefa, fa mivelatra hatrany ivelany mihitsy.

 Anisan’ny mandray anjara eny an-toerana ry zareo avy eo anivon’ny orinasa MACHINE na ny Madagascar-Chine. Izy ity izay miasa momba ny vato ary mitrandraka sy manodina izany eto amintsika. Manelanelana sy mampifandray ireo teratany sinoa mampiasa vola eto amintsika, amin’ireo Malagasy misehatra ity resaka fitrandrahana ity eto amintsika izy ireo. Miara-miasa ihany koa, manomboka any amin’ny fitrandrahana ny vato hatramin’ny famarotana izany. Araka ny nambaran’Atoa Eric Razanajatovo, izay tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa MACHINE kosa dia mampahafantatra ny lalàna mifehy ity resaka fitrandrahana ity izy ireo, ka manampy betsaka ireo teratany malagasy izay miasa amin’izany. Hatramin’izao kosa, dia ny karazana vato misy varahina no tena ankafizin-dry zareo Sinoa ary tena mandeha tokoa eo amin’ny tsenan’ny malagasy. Hita manerana ny Nosy moa ity karazam-bato ity, ary tsy misy ahiana fa manaraka tsara ny lalàna mifehy ny fitrandrahana ny orinasa MACHINE amin’ny fikirakirana izany.

 

Manam-pahataperana

 

Nantitranterin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fanokafana omaly kosa fa harahina akaiky hatrany ny fampiharana ny lalàna amin’ity resaka fitrandrahana ity, satria manam-pahataperana ihany itony harena ankibon’ny tany sy any ambanin’ny rano itony. An-jatony moa ireo mpandray anjara hita eny an-toerana mandritra ity hateloana ity. Ny andro omaly izay sady fanokafana ny hetsika, dia natokana ho an’ireo mpandraharaha sy ireo mpisehatra amin’ity fitrandrahana ity. Ho an’ny anio kosa, dia andraisana manokana ireo mpianatra, indrindra fa ireo manao fikarohana, raha hisokatra ho an’ny daholobe kosa ny hetsika mandritra ny tontolo andron’ny sabotsy, izay sady famaranana rahateo. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT