Harena ahiana ho azo tamin’ny kolikoly

Fiara 11 ataon’ny ARAI lavanty


  • Alarobia 20 Desambra 2023

Fiara miisa 11 no ataon’ny Sampan-draharaha misahana ny fanagiazana ny

harena azo tamin’ny kolikoly na ARAI na « Agence de Recouvrement des Avoirs illicites». « Voageja vonjimaika kanefa tsy maintsy atao ny famarotana noho ny fahasimban’ireo fitaovana. Mety an-taonany maro vao mivoaka ny didy raikitra satria manana zo hampiakatra ihany koa ny olona raha meloka amin’ny ambaratongam-pitsarana voalohany. Mety ho ela ny dingana samy maty antoka, mety ho simba ka hihen-danja ilay fananana, ka izay no tsy maintsy hanaovana ny lavanty », hoy ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny ARAI Atoa Rasoloharimanana Aimé. Raha tsy meloka dia ny vola vola sandan’ny fananany no haverina aminy, ary raha toa ka meloka kosa dia miditra any amin’ny kitapoblam-panjakana. Hiarovana ny tombotsoan’ilay olona raha tsy meloka, ary hiarovana ny fanjakana ihany koa satria raha simba dia lasa kely ny vidin’ilay fananana. Teo amin’ny 106 200 000Ar ny vidin'ireo fiara miisa 11 nataon'ny ARAI lavanty ampahibemaso ireo. Misy ny vidiny farany ambany napetraka, ka miankina amin’ny tolotra ataon’ny besinimaro avy eo ny tena fahazoana azy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT