Hanavao sy hanamafy indray ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara i Alemaina manomboka izao. Tonga nanatitra ny dika mitovy amin’ny taratasy fanendrena azy ho masoivohon’i Alemaina miasa sy mipetraka eto Madagasikara teny amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy omaly Atoa Harald Gehrig
. Nandray azy tamin’izany Atoa Blaise Richard Randimbisoa minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana. Hifantoka amin’ny fikajiana ny tontolo iainana, ny fahasalamana ary ny fanohanana ny fanapariaham-pahefana hataon’i Madagasikara ny fanampian’i Alemaina antsika. Nanome toky ny hanao izay fara heriny hiasa amin’ny fahombiazan’ny fifandraisan’ny frenena roa tonta ity masoivoho vaovaon’i Alemaina ity. Marihana ihany fa tamin’ny 6 mey 1883 no nosoniavina voalohany ny fifanarahana teo amin’i Madagasikara sy Alemaina. Izay vao nanendry masoivoho teto amintska indray ny fanjakana federaly Alemana hatramin’ny nisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Hatramin’izay moa dia voasokajy ho anisan’ireo firenen-dehibe manohana ny filoha teo aloha miaraka amin’i Etazonia i Alemaina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.