Nanatanteraka fampisehoana ara-pilazantsara in-droa miantoana tany Canada ny tarika ny herinandro lasa teo, ka tao Québec ny alin’ny zoma 13 jona ary tao Montréal ny sabotsy alina.
Ny Fiangonana Loterana Malagasy ao Canada no nikarakara. Maro ny olona tonga na dia tsy feno aza ny efitrano filanonana, noho ny naha antomotra ny fikarakarana rehetra izay tsy niankina tamin’ny mpikarakara rahateo. Maro tamin’ireo hira nampalaza an’i Hantatiana no noredonina tamin’izany, toy ny ”Aleoko ny ahy”, ny “Nosindrazako” ny “La pluie “ sy ny maro hafa. Ny masoandro niposaka indray no nampalahelo fa dia nalaina hisaraka ny olona. Nahafinaritra ny fety na rindran-kira, fa sady fitoriana no fihaonan’ny Malagasy ihany koa. Maniry ny maro ny mbola hiverenan’i Hantatiana indray. Marihina fa maro ny Malagasy no monina ao Québec sy Montréal ka izay no nahatonga ny safidy hoe tany amin’ ireo tanàna roa ireo no nanaovana ny fampisehoana, izay nentina indrindra hanohanana ny asan’Andriamanitra amin’ny lafiny maro.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.