Volam-panjakana mitentina 1 miliara ariary isam-bolana no very noho ny fisian’ny mpiasam-panjakana matoatoa (fonctionnaires fantômes) araka ny tatitra nataon’ny Tahirim-bolam-pirenena, raha heverina fa mandray karama 100 000 Ar isam-bolana ny mpiasam-panjakana matoatoa iray.
Miisa 10 000 mantsy amin’izao fotoana ireo mpiasa hafahafa, mandray karama kanefa tsy mitsemboka, raha araka ny antontan’isa farany eny amin’ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana. 12 miliara Ar isan-taona no very 12 miliara ariary isan-taona izany ny volam-panjakana very noho ny fisian’ireo mpiasam-panjakana matoatoa ireo. Efa mety voavaha tamin’ny ampahany betsaka ny olan’ny mpampianatra FRAM raha toa ka voafehy io resaka mpiasam-panjakana matoatoa mihinam-bola fotsiny io. Efa nisy ihany nandritra ny fitondrana Ravalomanana ny ezaka goavana natao mba ialana amin’ity resaka ity, efa nisy ny fivoarana saingy potika tanteraka izany niaraka tamin’ny fanonganam-panjakana. Manampy trotraka izay dia mbola nanjakan’ny kolikoly ny fampidirana mpiasam-panjakana tato ho ato izay , ka rehefa mahazo laharana amin’ny maha mpiasa azy fotsiny (numéro matricule) ny olona sasany dia izay, izy anefa tsy miasa akory fa dia mandray karama isam-bolana.128 000 no isan’ny mpiasam-panjakana eto amintsika amin’izao fotoana, mpampianatra ny 60% mahery amin’io, efa handeha hisotro ronona ny 5 000 ato ho ato ka tena mila soloina raha ny hetahetan’ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana. Noferana ho 10 000 ny mpampianatra FRAM horaisin’ny fanjakana amin’ity taom-pianarana ity satria izay aloha no takatry ny tetibola. Raha atao anefa ny kajy faran’izay tsotra, raha toa ka tsy misy intsony ny mpiasam-panjakana matoatoa dia mety afaka mandray mpampianatra FRAM 20 000 izany ny fanjakana no sady afaka manolo ireo mpiasa 5 000 handeha hisoro ronono. Tsy rariny… Tena fanetriben’ny firenena ireo mpiasam-panjakana matoatoa, ka tokony handray fepetra hentitra momba azy ireo ny mpitondra. Mahafantatra tsara an’io ny filoham-pirenena satria efa minisitry ny vola ny tenany. Mba tsy rariny ihany mantsy raha toa ka terena handoa hetra ny mpivarotra amoron-dalana sy ny vahoaka madinika, hampadoavana vola ireo ray aman-dreny efa tena sahirana hampiditra ny zanany an-tsekoly, kanefa misy olona tsy miasa fa mandray vola fotsiny isam-bolana, ary volam-panjakana, izany hoe volam-bahoaka io raisiny kanefa tsy nitsembohany io.tyle type="text/css">
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.