Actualités

Hamehana noho ny rivodoza Nitarika fivoriana maika ny Praiminisitra


  • Talata 21 Febroary 2023

Manoloana ny hidiran’ny rivodoza Freddy ao amin’ny ilany atsinanan’i Madagasikara, namory an’ireo tompon'andraiki-panjakana isan-tsokajiny

misehatra eo amin'ny fandrindrana ny loza sy ny tandindon-doza teny amin’ny CNGRC Ivon-toerana Nasionaly momba ny fitantanana ny loza sy tandindon-doza teny Antanimora ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly hariva ; ary nanotrona azy teny an-toerana ireo minisitra voakasika mivantana amin’izao fiomanana izao, araka ny seraseram-baovaon’ny Primatiora. Teboka maro no nodinihina nandritra ny fikaonan-doha ka niompana tamin'ny tatitra sy ny hetsika rehetra efa natao hiomanana amin'ny fiatrehana ny fiantraikan'ny andro ratsy, sy ireo fepetra mbola horaisina, izany. Anisan’izany ny fanomanana an’ireo toeram-pandraisana tra-boina, ny fametrahana ny fitaovana hamahana lalana ao anatin’ny 24 ora, ny famatsiana rano fisotro madio, ny fanetsehana ny tompon’andraikitra rehetra isam-paritra manoloana ny fiatrehana ny loza mety ho avy. Noresahina ihany koa ny tetibola hamatsiana ny hetsika ary handraisana an-tanana avy hatrany ny vahoaka raha sanatria misy ny loza, hoy ny tatitra.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT