Hamamoana tsy fahasalamana ara-tsaina

Zaza 8 volana saika hatonon-dRay aman-dReniny


  • Zoma 08 Septambra 2023

Zaza vao valo volana monja raha misy no natonon-dRainy toy ny masikita teo am-patana afak’omaly 06 Septambra

hariva tokony ho tamin’ny 08 ora alina tany Ankofabe Maroantsetra. Ny hikiakan’io zaza io no nanaitra ny manodidina ka nifanome tanana nahavotra azy ireto farany. Efa tapitra may sy votsotra avokoa mantsy ny ranjony sy ny feny ary ny fitombenany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia tovolahy vao 22 taona monja no rain’io zaza io, antsoina hoe : Antidahy Hely. Manana olana ara-tsaina anefa izy raha toraka izany ihany koa ilay vehivavy vadiny. Ny mahavariana anefa dia tena maro anaka izy ireo hoy ny vaovao. Miteraka hatrany Ramatoa isaky ny roa taona raha kely. Nilaza moa ilay Rangahy fa tsy fanahiniana no nandoroany an-janany fa vokatry ny hamamoana. Nilaza kosa ilay Ramatoa fa toa tsy tsaroany izany na dia voalaza aza fa nanatrika izany izy.
Nangonin’i Pati
Legende : Votsotra nitsetsatsetsa tahaka izao ny ranjo sy ny fe ary ny fitombenan’ilay zaza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT