Actualités

Halatra taribin’ny Jirama Tafakatra 19 900 m sahady tamin’ity taona ity


  • Zoma 15 Septambra 2017

Mihamahazo vahana hatrany ny halatra taribin’ny orinasa JIRAMA tanterahin’ireo olon-dratsy eto amintsika. Tafakatra 19.900 metatra sahady tamin’ity taona ity, hoy Ralaivao Eloi, tale teknika izay mitentina 154 tapitrisa Ar.

 

Antony mahatonga ny tsy fisian’ny herinaratra eny amin’ny arabe sy ny elakela-trano io ka mampirongatra ny asan-dahalo sy ny tsy fandriampahalemana. Miantso ny olon-drehetra hiara-kiasa aminy ny orinasa JIRAMA. Lohalaharana ny fananganana andrimasom-pokonolona hahafahana miaro ny fanananam-bahoaka, toy izany koa ireo mpangalatra jiro sy rano izay efa namoahan’ny fanjakana didim-pitondrana fa mitovy amin’ny halatra rehetra ka  tsy maintsy mandoa lamandy sy migadra izay tratra. Nisy ny fidinan’izy ireo ifotony nifanakalo hevitra tamin’ireo sefom-pokontany rehetra ao amin’ny Boriborintany fahefatra omaly entina hanatsarana hatrany ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT