Fantatra izao fa nisy indray ny razana tsy hita teny amin’ny faritra avaradrano iny. Araka ny loharanom-baovao voaray avy eny an-toerana dia fasana telo no indray vaky ny herinandro lasa teo iny.
Nilaza ny mponina avy eny an-toerana fa tsy dia matetika no misy ity tranga ity ary azo lazaina aza fa vao sambany izao. Raha nanontaniana ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena mahakasika ny trangana vaky fasana eto Madagasikara dia nilaza izy ireo fa tsy mbola nisy ny olona fantatra ho tena atidoha manao ity asa ity. Betsaka, hoy hatrany izy ireo, ny efa tratra fa tsy misy mety milaza ny olona naniraka azy izy ireny. Tany amin’ny faritra no tena nitrangan’io halatra taolam-paty teo aloha saingy niitatra tsikelikely nanketo an-drenivohitra izany, hoy hatrany ny fanazavana. Hatreto aloha izany dia mbola mijanona ho mistery tanteraka ity afera ity satria tsy fantatra marina hoe iza no ao ambadika? Atao inona ihany koa ireny taolambalo ireny ? Ny mpitandro ny filaminana aza dia milaza ho lany haiky.Ny siosion-dresaka tetsy sy teroa no nandrenesana fa mety anisan’ireo akora ampiasaina hanamboarana ireo vovoka sy paomady fampiasa amin’ny tarehy (produits de beauté) ny taolam-paty, saingy tsy tena mbola nisy ny fanadihadiana lalina natao momba izany hatreto aloha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.