Niaina fahatapahana herinaratra niverimberina ny distrikan`i Mandritsara noho ny halatra gazoala mamatsy ny milina mamokatra ny herinaratra any an-toerana.
Ny 08 aprily lasa teo dia mpiasan` ny JIRAMA iray no nalaina am-bavany ary mitombo isa hatrany ireo olona voakasika amin` ity raharaha ity amin` izao fotoana izao. Faly ny vahoakan'i Mandritsara nandre izany vaovao izany. Nody ventiny ny rano natsakaina tamin'ny tolona nataon'ireo tanora mahakasika ity raharaha ity. Mitaky ny Sojabe, ny Tanora ary ny vahoaka rehetra mba hanaovana ny fanadihadiana lalina sy mba hanadiovana tanteraka ny orinasa Jirama Mandritsara. "Aleo samy hijinja ny vokatry ny zavatra nataony ny rehetra ary mitaky ny hanaovana ny fanadihadiana lalina mba hialana amin'ny ahiahin'ny mponina eto Mandritsara ny tenako", hoy ny fanazavana nataon'ny "Chef Secteur" Jirama Mandritsara, Hery Nomenjanahary. Anatin'ny fanadihadiana tanteraka ny mpitandro ny filaminana any an-toerana .
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.