Fitsirihana herinaratra niisa 506 no notanterahin’ny Jirama teo anelanelan’ny ny volana Janoary ka hatramin’ny faran’ny volana may lasa teo.
Nahitàna tsy fanarahan-dalàna ny 167 tamin’ireo ka ny 109 dia karazana hosoka ary ny 58 kosa halatra. Mahatratra 282 775 072 Ariary ny fatiantoky ny Jirama nandritra io fotoana io, ho an’ny herinaratra manokana. Mahakasika ny rano, 972 ny fitsirihana natao ka 362 ny tsy fanarahan-dalàna hita izay mitentina 349 191 181 Ariary. Mitontaly 631.966.253 Ariary ny fatiantoky ny JIRAMA teo anelanelan’ny Janoary sy May 2020. Manamafy ny fitsirihana ireo halatra jiro sy rano ny Jirama, taorian’ny nametrahana Direksiona manokana misahana izany. Tato anatin’ny herinandro dia tokantrano roa no tra-tehaka ka halatra rano voalohany hita teny Marohoho Tsimbazaza raha toa ka fizarazarana herinaratra nataon’ny tokantrano iray amin’ny tokantrano 17 hafa ny tranga faharoa hita tany Ambohimitsinjo Antsiranana.
Jean D./Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.