Halatra herinaratra

Miisa 18 no tratra omaly


  • Alarobia 04 Febroary 2026

Miisa 18 ireo halatra herinaratra na

halatra jiro moa no filazantsika azy saron’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA teto Antananarivo renivohitra iny omaly iny, raha ny fampitàm-baovao voaray. Tamin’ny andro voalohany dia kaontera miisa 109 no notsirihana. 18 no nahitana tsy fanarahan-dalàna. 7 hatao «expertise» na iverenana zahàna manokana. 1 tratra nanao «piquage», izany hoe misintona herinaratra any an-kafa, ary 1 nahitàna soritra fanaovana izany. Nanomboka teto Antananarivo ny fitsirihana ireo halatra sy hosoka amin’ny fisitrahana herinaratra sy rano ataon’ny JIRAMA. Haharitra 3 volana ny hetsika ka iharan'ny sazy avy hatrany ireo tratra manao hosoka, raha ny fanazavàna sy fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT