Actualités

Halatra finday sy vola Nidoboka eny Antanimora ilay jiolahy tsy ampy taona


  • Alakamisy 26 Martsa 2020

Nalefa eny Antanimora Lehilahy iray 17 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany faha-07 etsy 67Ha noho ny resaka fanendahana.

 

 

 Vehivavy iray niandry fiara handeha hody no voaendaka teo amin’ny « arrêt bus » vatobe ny alin’ny alahady faha 22 martsa teo tokony tamin’ny 7 ora sasany. Lasan’ireo mpanendaka tamin’izany ny poketra izay nisy vola mitentina 200.000 ariary sy finday avo lenta miisa 2. Nametraka fitoriana avy hatrany tao amin’ny biraon’ny Polisy etsy 67Ha ity voaendaka ity. Avy hatrany dia nanatanteraka fisafoana sy fanadihadiana teny an-toerana ny Polisy, ka ny alatsinainy faha23 martsa dia nanao velam-pandrika ny Polisy sy ilay niharam-boina. Tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro dia tsikaritry ny Polisy teo amin’ilay toerana nanaovany ny asa ratsiny ihany ity tovolahy mpanendaka ity ka avy hatrany dia nosamborina. Rehefa tratra izy ka nosavaina dia mbola teny aminy ny ampahan’ilay vola very sy ny finday miisa 1. Ny finday iray hafa kosa efa namidiny . Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky ny heloka vitany izy ary nilaza fa efa fanaony ny manendaka eo amin’io faritra vatobe 67Ha io. Tsy misy namana izy fa mandeha irery. Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahafantarana fa efa nigadra teny Antanimora ity mpanendaka ity ny taona 2019 noho ny resaka hendaka hatrany. Efa tafaverina any amin’ny tompony kosa ireo zavatra very ka hita teny aminy. Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny talata faha 24 martsa 2020.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT