Halatra amin’ny fomba mihaja

Sady lafo no mora lany ny fifandraisan-davitra


  • Alatsinainy 29 Jolay 2024

Miha lalina hatrany ary efa azo ambara hoe halatra amin’ny fomba mihaja

mihitsy ankehitriny ity saran’ny fifandraisan-davitra eto Madagasikara ity. Sady lafo no mora lany. Izay amin’ny ankapobeny no saika fitarainan’ireo mpanjifa. Misy ihany moa ny fanazavana entin’ireo mpikirakira sasany fa mety noho ny hamaroana singa na «application» ao anatin’ny findaina mpanjifa iray no maha vetivety dia lany ny katrokonja na «connexion» ao anatin’izany finday izany rehefa mampiditra tolotra avy amin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra izy. Tsikaritra nefa fa lasibatr’izany fitrohana «connexion» vetivety izany ihany koa ireo mampiasa solosaina ka manao itony antsoina hoe asa ampitain-davitra na «télétravail» itony. Aiza ihany ny fandraisana fepetran’ny fitondram-panjakana izany manoloana ny fanararaotan’ireo mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra? Mbola misy ve ilay hoe vaomiera misahana ny fanadihadiana parlemantera momba izay lafiny izay eny Tsimbazaza eny? Mbola manohy ny asa tsy vitan’ny teo alohany ve sa dia nijanona ho famonoana lolo fotsiny toy ny tamin’izany ihany fa tsy nahitam-bokany?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT