Actualités

Hala-jaza tao Antsirabe Nidoboka any am-ponja ilay ramatoa


  • Zoma 01 Aogositra 2014

Niakatra fampanoavana tamin’ny Alarobia lasa teo ilay renim-pianakaviana iray tratra nangala-jaza tao Antsirabe.

Nampidirina am-ponja vonjimaika izy taorian’izay miandry ny fitsarana azy. Raha tsiahivina, nanao sinto-mahery zazakely iray vao herintaona monja teny an-tanan’ny mpanampy azy ity renim-pianakaviana ity ny Alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 4 ora folakandro. Tao Antanivao, kaominina ambonivohitr’Antsirabe no nitrangan’ny tanara ; monina ao Ambanimaso Ambatolampy kosa ilay ramatoa. Tezitra noho izany ireo fokonolona nanatri-maso ka saika hamono ity vehivavy ity tamin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka. Tao anatin’izay indrindra anefa no tonga ny mpitandro ny filaminana ka naka am-bavany azy avy hatrany. Nambarany fa nirahin’ny fanahy masina, hono, izy mba haka ilay zaza hatao sorona. Nilaza ihany koa izy fa nisy olona miisa dimy naniraka azy mba hanatanteraka ilay asa. Raha ny fijoroana vavolombelona nataona olona maromaro tao Antsirabe anefa dia efa nisy ny fotoana nanaovan’ity ramatoa ity fangalaran-jaza tahaka izao saingy tsy tratra izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT