Hajo Andrianainarivelo

" Tsy « vary mora subventioné» hafarana no vahaolana"


  • Alakamisy 09 Janoary 2025

Naneho hevitra mikasika ny fanambaran’ny Filoham-pirenena tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ny hampihenana

750Ar ny kapoakan’ny vary afaka iray volana sy tapany raha ela Atoa Hajo Andrianainarivelo. « Mpamboly vary aho, fantatro ny masonkarena ! Tsy fizarana vary mora « subventionné » hafarana avy any ivelany no vahaolana fa mila politikan'ny fambolena matotra sy napetraka mialoha raha te ahita vokatsoa. Ny orana tsy misy, ny zezika lafo, ny fitaovana maoderina tsy voavidin'ny tantsaha, ny tambazotra hanajariana ny tanimbary tsizarizary, ny tetibola hanamboarana ny lalana zara raha misy. Izany rehetra izany no mila vahaolana matotra. Indrisy, very 6 taona isika. Tsy misy azo antenaina. Fantany ihany fa tena mahantra farahidiny ny malagasy, indrindra fa ny tantsaha. Ny vahaolana arosony vahaolana sadasada satria tsy mahay mitantana. Ny vahaolana mila imasoana dia ny fampiakarana ny fahefamividin'ny Malagasy », hoy izy omaly.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT