Tsy voafehy ny aretina pesta satria tsy misy fandraisana andraikitra hentitra, feno fitavozavozana ary misavoritaka ny fomba fiasan’ny fanjakana manoloana ny fifehezana izany,
ka miteraka korontana sy fatiantoka eto amin’ny firenena, hoy ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM), tarihin’i Hajo Andrianainarivelo. Miteraka olana eo amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny tompon'ny sekoly ny fanemorana lava ny fidiran’ny mpianatra sy ny fampiatoana ny fampianarana mandritra ny fotoana lava sy tsy voafetra. Miteraka fatiantoka ihany koa izany ho an’ireo mpikarakara lanonana sy ireo artista maro ary ireo mpikarakara fifaninanana ara-panatanjahantena sy mpanao fanatanjahantena. Toy izany ihany koa ny lafiny ara-ekonomika raha tsy hiteny afa tsy ny fizahantany, indrindra manome endrika ratsy ny firenentsika eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanome ohatra izahay Malagasy Miara-Miainga, tamin’ny alalan’ny olom-boafidinay tao amin’ny kaominina Masindray ao Avaradrano, izay nametra ny fivezivezena sy nanakatona ireo sekoly, birao rehetra, ary ny toerana rehetra fivezivezen'ny olona nandritra ny 3 andro, ary namafy fanafody sy nitsilo eran’ny fokontany rehetra, hoy ny MMM. Mba entina hamerana ny fotoana hiadiana amin’ny pesta, ary hiverenan’ny fiainam-pirenena amin’ny tokony ho izy na ara-tsosialy na ara-ekonomika dia vahaolana aroson’ny MMM ny famerana ny fivezivezena ary akatona mandritra ny fotoana voafetra ny toerana rehetra (sekoly, birao, …) ka mandray andraikitra ny eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany ary mandraraka fanafody eran’ny tanàna sy ny toerana fivezivezen’ny olona. Amin’izay koa ireo tompon’andraikitra eny ifotony no mamantatra sy mijery ireo toerana na trano misy tranga mampiahiahy ka mametra ny fivezivezena amin’ireo toerana ireo ary miantso ireo tompon’andraikitra handray ny fepetra mikasika ny fitsaboana ireo marary na ahiana marary.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.