Eo anatrehan’ny loza nitranga tao Ankatso II, Oniversiten’ Antananarivo ny 19 Septambra 2020 ka nahamay ny Bloc Amicale fonenan’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo dia mankahery sy miombom-pahasahiranana tanteraka amin’ireo niharam-boina ny SECES sampana Antananarivo,
hoy ny nambaran’ny sendikan’ireo mpampianatra mpikaroka, sampana Antananarivo. Eo anatrehan’ny fatiantoka lehibe mianjady amin’ny mpianatra sy ny Oniversiten’Antananarivo amin’ny ankapobeny dia mampahatsiahy sy manaitra ny fitondram-panjakana amin’ny maha zava-dehibe ny fametrahana ny mpianatra amina trano fonenanana manara-penitra, hahafahan’izy ireo miaina sy mianatra ao anatin’ny filaminan-tsaina tanteraka. Manainga ny mpitondra fanjakana izay soloin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy voakasik’izany olana izany tena, mba hitondra vahaolana maika, azo tsapain-tanana sy mahomby ary maharitra hamahana ny olana mikasika ny tranon’ny mpianatra izay zava-misy zary maha menatra sy vato misakana amin’ny fahatrarana ny kalitao no sady tsy mendrika ny fampianarana ambony. Ny SECES dia manantena fa hisy fandraisana andraikitra ahazoana toky fa tsy hiverina eo anivon’ireo anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana sy ireo Foibem-pikarohana Nasionaly intsony ny loza toy ireny, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.