Actualités

HAINTRANO TAO EHOVATRAHA ANOSY Novatsiana sakafo sy notsaboina ireo traboina


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Novatsiana sakafo sy notsaboina ireo traboina am-polony maro mila izany lasibatry ny

haintrano nitranga tao Ehovatraha, Faritra Anosy. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana haintrano tao tao amin’ity tanana ity Zoma 24 Mey lasa teo. Vokatry ny tsy fitandremana avy amin’ny tokantrano iray no nahatonga ny loza hany ka lasa lavenona tao anatin’ny indray mipi-maso ireo fananana nohariana am-polony taonany maro…. Tsy niandry ela fa tonga nijery ireo traboina ny avy eo anivon'ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamana ao amin’ny Faritra Anosy izay nisolo tena ny Ministeran'ny Fahasalamam-Bahoaka. Ankoatra ny fitondran’izy ireo izay voatsirambin’ny tanany ho fanampiana ireo mpiray tanindrazana traboina dia noraisin’izy ireo an-tanana ihany koa ny fitsaboana maimaim-poana ireo olona mila izany. Tsy vitsy mantsy ireo niakatra tosi-dra tampoka vokatry ny fahatairana naterak’ity haintrano nitranga tao Ehovatraha ity indrindra fa ireo efa nahazoazo taona.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana fanampiana ireo traboina sy ny fandraisana an-tanana ny fahasalamany !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT