Haintrano mahatsiravina teny Anosibe

Hotohoton'ny afo ny ozinin'ny Made Import


  • Talata 24 Jona 2025

Nisy firehetana goavana tao amin’ny usine Made Import, eny Anosibe (Antananarivo),

ny alin’ny alahady 23 jona 2025, manodidina ny 11h30 alina. Mpamongady fireperia sy famokarana lamba ity may ity ka akora fanamboarana bodofosy no isan’ny kila. Ankoatra ilay ozinina sy ny manodidina azy izay hotohoton’ny afo, dia fiara miisa 3 ihany koa no voalaza fa rotika. Tonga haingana teny an-toerana ny mpamono afo, saingy nifanandrina tamin’ny fahasarotana lehibe noho ny haben’ny toerana sy ny fiparitahan’ny entana mora mirehitra. Sahirana ny mpamonjy voina izay endrika maneho fa tsy dia manana fahafahana mamonjy loza tena goavana. Tsy mbola fantatra mazava ny niandohan’ny firehetana, ka andrasana ny valin’ny fanadihadiana ara-teknika. Nahare fipoahana maro be tao an-toerana ny manodidina raha ny fanamarihana. Mbola nitohy hatrany ny ezaka nataon’ireo mpamonjy voina hatramin’ny omaly mba hanakanana ny fielezan’ny afo mankany amin’ny manodidina satria hatramin’ny omaly takariva , 20 ora taty aoriana, dia mbola nisy firehetana. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia maro ireo entana tahiry tao amin’ilay ozinina no efa may kila forehitra. Tsy nisy kosa ny ain'olona nafoy na naratra, saingy hita miharihary ny fatiantoka ara-toekarena goavana vokatry ny loza. Nifamotoana teo amin’ny toerana ihany koa ny manampahefana, nanara-maso sy nikarakara ny fepetra ara-piarovana sy fanampiana ireo mpiasa sy mponina akaiky.
Asmynah Randriamananjara (Mpiana-draharaha)


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT