Haintrano mahatsiravina tao Antsirabe

Olona 4 nahitana tera-bao sy ankizy 2 hotohoton’ny afo


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Nisehoana hain-trano mahatsiravina tao Ampantana ao Andranomaimbo Antsirabe

ny alin’ny talata hifoha omaly alarobia 24 jolay tokony ho tamin’ny 10ora alina. Teo amin’ny faritra misy ireo mpivarotra kojakoja efa niasa na braokatera no nisehoany. Fipoahana voalaza fa niainga tao amin’ny « bar » iray no niandohany, ary tsy iray fa zavatra maro no voalaza fa nipoaka. Vokany, trano hatrany amin’ny 13 tafo no may kila forehitra, ka ny tena zava-doza dia olona miisa 4 no may hotohoton’ny afo tao anatin’izany. Ny roa tamin’ireo dia vehivavy vao tera-bao nody tao an-tokantrano ny marainan’ny talata rehefa avy tany amin’ny tany amin’ny hopitaly. Ny roa kosa dia zaza roa izay vao 7 sy 5 taona monja. May hotohoton’ny afo tanteraka izy 4 mianaka kely ireo. Trano hazo moa ny ankamaroan’ireo trano, ka vao mainka nampihanaka ny afo. 13 tafo no tena hotoho, tsy nisy noraisina, ary tafakatra 44 ireo tokantrano misy ny fianankaviana traboina ao anatin’izany. Efa nisy moa ny fanampiana samihafa toy ny nataon’ny eo anivon’ny fiadidian’ny kaominina Antsirabe ambonivohitra sy ny olom-boafidy sasany any an-toerana. Na izany aza, henjana ny fahavoazana, ka hirariana ny hisian’ny tohana hanarenana ny fiainan’ireo lasibatra.
Nangonin’i Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT