Actualités

Haino aman-jery Nakatona ny Radio sy Televizion’ny CUA


  • Alakamisy 23 Jolay 2015

Nakaton’ny Fanjakana nanara-dia ny MBS fananan’i Marc Ravalomanana sy ireo VIVA haino aman-jerin’i Andry Rajoelina any amin’ny faritra ihany koa ny Antananarivo Radio sy Antananarivo

 

 Televiziona, haino aman-jerin’ny Kaominina Antananarivo-Renivohitra. Nosintomin’ny ministeran’ny serasera sy ny filazam-baovao ary ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana tamin’ny 9 jolay 2015 ny “licence” teo ampelan-tanan’ny Kaominina. Raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny ministera dia orinasam-panjakana ny ATR sy ATV saingy natao toy ny fitantanana orinasa tsy miankina ka dia nosintomina ny “licence” ary tsy nisy fifampiraharahana azo natao. Nanomboka tamin’ny alatsinainy 20 jolay 2015 no niato tanteraka ny fandrenesana ity haino aman-jery mba lova navelan’i Ny Hasina Andriamanjato fony izy PDS tao ity.

Ho an’ny maro kosa dia fanapahan-kevitra politika ny nanakatonana ny ATR sy ATV, satria entin’ny tahotra ny mpitondra fanjakana sao i Neny Lalao Ravalomanana na Lalatiana Rakotondrazafy no voafidy ho Ben’ny tanàna eo ka dieny izao dia aleo tsy homena “micro” sao hanahirana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT