Actualités

Haino aman-jery Miverina ny antso an-telefaonina


  • Alarobia 07 Oktobra 2020

Mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika, mitohy ny « réquisition » ho an’ny haino aman-jery rehetra.

 

 

 Mitohy ny tsy maintsy hampitan’ny haino aman-jery rehetra ny fandaharana fampitana ny fivoaran’ny covid-19 eto Madagasikara isan’andro sy fandaharana iarahana amin’ny Filoha na ny Praiminisitra isaky ny tapa-bolana, hoy ny Tale Jeneralin’ny serasera mpisolo toerana eo anivon’ny Ministeran’ny serasera Atoa Mamimbahoaka Fetra Niaina. Fito volana aty aoriana, nomena alalana ny fahafahan’ny haino aman-jery mandray ny antso an-tariby, raha ny fanambarana omaly. Tokony ho ao anatin’ny fifanajana ary fanehoan-kevitra no hatao fa tsy fifandranitana makany amin’ny fihoaram-pefy, hoy io Tale Jeneraly io. Efa mety io fa ilay fotoana amin’ny 01 ora tolakandro no tokony hajaina raha tena hainy ny hoe "la radio c'est l'heure", hoy ny Filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety Atoa Gérard Rakotonirina. Misy ny fotoana amin’ny mpihaino izay hitazonana azy tsy hiala, fa tsy izay tian-dry zareo no atao. Rehefa tsy tratrany io dia mahazo mandroso ora hafa izy, hoy ny Filohan’ny OJM. Ankoatra io, nilaza I Mamimbahoaka Fetranianina fa ny 01 septambra teo no efa nanan-kery teto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny lalàna mifehy ny serasera nasiam-panintsiana. Mbola tsy mipetraka ny Kaomisionina fa an-dalam-panatantanterahana momba ny resaka fanomezana karatra maha matihanina momba ny asa fanaovan-gazety, hoy izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT