Actualités

Haino aman-jery manerana ny Nosy Miara-manonja avokoa


  • Talata 24 Martsa 2020

Tsy maintsy miara-manonja avokoa ny haino aman-jery rehetra manerana ny Nosy, raha ny toromariky ny fanjakana, izay nohamafisin’ny Tale

 

 

 

Jeneralin’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.  Manomboka amin’ny 12ora-2ora tolakandro dia tokony handray ny RNM na ny TVM avokoa ny rehetra. Amin’ny alalan’io no hamoahana ny vaovao hany tokana ofisialy. Niantso ny Talen’ny famoahana rehetra sy ny tompon’andraikitra amin’ny haino aman-jery mba hanajanonana ny antso mivantana avy amin’ny mpihaino. Tsy maintsy fehezina ny vaovao tsy hiteraka fanohintohinana ny fiainam-bahoaka. Efa misy ny sazy mifandraika amin’izany. Nanomboka omaly, dia maro ireo haino aman-jery tsy nandefa ny fampahalalam-baovao manokana avy aminy, fa nandray sy nampita ny haino aman-jerim-pirenena avokoa. Noho ny hamehana eto amin’ny firenena no mahatonga izay fifehezana izay, ka ho vaovao tokana ofisialy avy amin’ny fanjakana sy ny Sampan-draharaha manokana nampiantsorohana ny Coronavirus dia ny « centre de commandement operationnel » ihany no manan-kery.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

Hijery ny tohiny
FTT