Amin` izao fihibohana izao dia ny haino aman-jery, indrindra ny televiziona, no sakaizan` ny isan-tokantrano.
Maro ny tsikera nataon` ny mpanaraka ny fandaharana iray tamin` ny haino aman-jerim-panjakana momba ny fitafin` ilay mpanolotra fandaharana. Samy naneho hevitra ny rehetra indrindra moa ireo mpampiasa fesiboky. “Fitafy tsy manaja olona …mba manaitra ny sainareo tompon’andraikitra mba hajao ny mpijery ao anatin` izao “confinement” izao … tsy hanao spectacle fa hanabe olona ka mananà toetra mpanabe” hoy fanehoan-kevitra iray. Ny mpamakafaka pôlitika rehetra manerana izao tontolo izao dia milaza avokoa fa ny fanabeazana no fototry ny fampandrosoana. Sarotra mantsy ny hivoaran’ny firenena iray raha vahoaka tsy mahay mamaky teny sy manoratra, na tsy nahazo fanabeazana araka ny tokony ho izy, ny ankamaroan’ny mponina ao. Hevitra izay hita mitombina zato isan-jato satria raha jerena amin’ny fomba fijery mahitsy ny zava-misy eto amin’ity Madagasikara ity dia mbola olana lehibe ary vato misakana ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny tsy fahampian’ny fanabeazana eo amin’ny olom-pirenena. Ny haino aman-jery rahateo dia tsy maintsy mandray anjara amin'ny fanabeazana ka mila fitandremana be io fa tsy ny olona natao hanabe indray sanatria no mampiseho fihetsika na fomba fiaina hafahafa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.