Tsy maintsy mampita ny RNM sy TVM ny haino aman-jery tsy an-kanavaka eto Madagasikara amin’ny fotoana hisian’ny fampitana vaovao momba ny Coronavirus. Tsy amin’ny 12 ora ka hatramin’ny 2ora ihany fa amin’ny fotoana rehetra hisian’ny famoaham-baovao miainga avy eny amin’ny CCO na ny “Centre de Commandement Operationnel Covid 19” avy eny Ivato, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo omaly.
Adidy io ary mampigadra ny tsy fandefasana izany. Noho i Madagasikara ao anatin’ny Hamehana ara-pahasalamana dia ao anatin’ny “Réquisition d’office” noraisin’ny filoham-pirenena ny tontolon’ny haino aman-jery, hoy ny minisitra. Fahefana fenon’ny fanjakana ny mampiasa izany amin’ny fampitam-baovao, ary voafehy tanteraka ny haino aman-jery amin’izao fotoana izao noho ny zava-misy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.