Nanaovan'ny ministeran'ny serasera sy ny kolotsaina tarihin-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo fampitandremana na “Lettre de mise en demeure” ny haino
aman-jery Real TV sy Real FM ny sabotsy lasa teo handefa manontolo sy mivantana ny fandaharana avy amin'ny sampana fibaikona momba ny coronavirus na ny CCO Covid 19, ary handefa ny fandaharana manokana "miara-manonja", nefa tsy nanao izany ny Real TV ny 26 sy 27 martsa 2020. Ambonin'izany dia nanasa manokana ramatoa iray tamin'ny fandaharana "l’invité du jour" ny 25 martsa 2020, izay nitarika ny olona hankahala ny mpitondra ary miantso fikomiana, hoy ny taratasim-panjakana nalefa. Mbola mampiely vaovao tsy marina ihany koa, hoy hatrany ity taratasy nalefan'ny ministeran'ny serasera ity ny Real TV, izay manohitohina ny filaminam-bahoaka, izay mahatonga ny mpihaino sy mpijery tsy hahatoky ny ratsamangaikam-panjakana sy ny vaovao ofisialy avoakany. Izany rehetra izany dia kilasiana ho fandikan-dalàna sy hadisoana be vava, koa omena 24ora ny Real TV sy Real FM hanarahany ny fitsipika mifehy ny fepetra momba ny hamehana ara-pahasalamana, fa raha tsy izany dia handray ny fepetra ara-panjakana ny ministera, izay tsy manakana ny fampiakarana ny raharaha ara-pitsarana, hoy ny hafatra nalefa. Nanamafy an’io ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, izay nandrangaranga fanakatonana. “Izy ity tsy vazivazy ary ao anatin’ny “Etat d’Urgence” isika. Indraindray tsy mandefa ny tenin’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny 8 ora alina, ary indraindray koa aza minia mihitsy mandika ilay toromarika ao anatin’ilay “requisition d’office” mahazo ny haino aman-jery rehetra, ka miala nenina farany ny Minisitera, hoy i Lalatiana Andriatongarivo ny sabotsy lasa teo. Nandefasana izany ny onjam-peo tsy mety mandefa ny miaramanonja, ary misy mihitsy ny mandefa vaovao mampisavorovo sy mampandainga ny tarehimarika izay havoaka eto. Sanatria minia midrikina. Lohalaharana amin’izany ny Real TV sy Real FM eto Analamanga, izay misy tapatapahiny. Tsy fantatra hoe inona no antony. Eo ihany koa Radio Balsama, Loharanovelona 92.6 FM. Nisy nandefasana ihany koa ny any amin’ny Faritra tahaka ny any Sofia sy Vakinankaratra. Aim-pirenena ity fa tsy Lalatiana no resaka eto, tsy ny fitondram-panjakana no resaka ka hoe ianao mpanohitra na mpanohana, hoy ny minisitry ny serasera.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.