Haingo Ravatomanga

Naka 7 miliara Ar tao amin’ny CNaPS ?


  • Zoma 14 Novambra 2025

Mipongapongatra sy mifoha ireo dosie samihafa

tao anatin’ny Fitondrana Rajoelina na dia tsy mbola izy manontolo aza. Ankoatra ny raharaha 11 miliara Ar nalain’ny Kaominina Antananarivo tamin’ny alalan’ny SMGD (Société Municipale de Gestion Digitale) tamin’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) izay mandeha any amin’ny PAC (Pole Anti-corruption) amin’izao fotoana izao, dia miverina mifoha sy misy mampahatsiahy ny resaka 7 miliara voalaza fa nalain-dRtoa Haingo Ravatomanga tao amin’io orinasam-panjakana io, izay voalaza fa tao anatin’ny fotoana tsy dia nifanalavitra tamin’ny raharaha 11 miliara. Efa hatry ny ela ity resaka ity, saingy tsy nisy fandisoana na fanamarinana ofisialy. Araka ny tatitra navoakan’ny tranonkalan’ny La Gazette de la Grande Île, ny vola dia nampiasaina ho an’ny fikambanana AFF (Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana), izay nizarazara fanampiana sy tetikasa ho toy ny fikambanana mitsinjo ny fiainam-bahoaka. Ny olana lehibe dia ny loharanom-bola nampiasaina izay ahiana ho tsy avy amin’ny sehatra tsy miankina na fanomezana, fa avy amin’ny CNaPS, rafitra ara-tsosialy izay tokony hanome antoka ny fiarovana ara-tsosialin’ny mpiasa sy ny fianakaviany. Tsy nisy sahy nikitika moa itony resaka itony fony Fanjakana Rajoelina ka asa hisy ve fanadihadiana hentitra sy ofisialy momba ity raharaha ity na koa fandisoana ny fisiany? Tsy misy resaka fanenjehana olona manokana na finiavana hanosi-potaka, ary tsy mbola misy rahateo fanamarinana na fandisoana, tsy mbola nisy fanamelohana ara-pitsarana,… fa kosa tsy azo hamaivanina ny raharaha tahaka izao raha tena hiady amin’ny tsy maty manota. Mety tsy eto an-toerana ny olona voatonona voalohany, saingy tsy olona iray ny Fikambanana voalaza fa nampiasaina nakana ny vola raha tena izay fa misy mpitantana sy mpikambana maro, izay tsy ara-tsosialy ihany, fa niitatra tamin’ny politika aza, raha ny nahitana azy.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

  • SAVOROVORO TENY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

AMIN'NY 67 HA

  • HERISETRA AMIN’NY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

MAHALAHY SY MAHAVAVY

  • Saran'ny fampiasana "drones"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Mahatratra 1 560 000Ar hatreto...

  • Firosoana amin’ny
  • Alarobia 29 Aprily 2026

fampiasàna nomerika

Hijery ny tohiny
FTT