Actualités

Haingo Paradis «Zava-doza sy hitera-doza raha havoaka eto ny marina»


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Misy olona mahatsiaro voatohitohina mafy amin’ity ady ataoko eo anivon'ny minisiteran’ny fahasalamana ity, hoy ny mpisehatra ara-tsosialy sady mpandinika fiarahamonina,

Haingo Paradis, dia manao ny fomba rehetra mihitsy mba hampiverin-dalana ahy. Ny tsy fantany anefa, hoy izy, dia tsy karazan'olona miverina amin’ny fanampahan-kevitro aho, indrindra, hoe ahasoa ny mpiray tanindrazana amiko sy ny fireneko no hijoroako. Tsy voavidy vola aho satria tsy hitondra afa-tsy tanam-polo raha miala ety. Ampy hodiako any amin’ny mandrakizay ny fahatsapako fa misy malagasy avotra sy nilamina noho ny fisiako eto. Aina no resaka fa tsy hoe aina no lalaovina. Zava-doza sy hitera-doza raha havoaka eto ny marina. Tiako loatra ny mpiray tanindrazana amiko dia tsy ho ratraiko satria efa ampy azy ireo ny marary azy. Tsy vatrako ny hitazam-potsiny ny zavatra misy fantatro ankehitriny. Efa eto an-tanako ny fiadiana rehetra. Misaotra anareo vonona sy mifanohana amiko ankehitriny. Tsy hananako havana na namana ny ezaka hataoko hamonjeko ny mpiray tanindrazana amiko. Tsy vola, tsy seza, tsy sitraka sy voninahitra fa fitiavan-tanindrazana tsy misy tambiny no hijoroako. Tsy manaja ny minisitra sy ny ekipany hono aho. Ny antoko PSD aza hono nilaza azy ho matanjaka fa nankaiza izy izao? Inona hono izay izaho? Kanefa mikoropaka mamory ny mpitsabo sy ny «Paramédicaux» zareo. Isan'ny santionan-dresaka alefa handemena ahy izany fa izaho efa miteny fa tsy hanaiky hatramin’ny farany raha tsy voarain'ny filoham-pirenena ny porofo rehetra aty amiko fa tsy izy ianareo. Aza adino fa Davida Kely aza nandresy an'i Goliata. Andao! Mitohy ny tantara, hoy hatrany ity mpisehatra ara-tsosialy ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT