Nindaosin’ny fahafatesana omaly tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany maraina Ralison Valimbavaka, ilay zandriolona, 9 taona, tamin’ireo telo mirahavavy iray tampo, may kila forehitra tao anatin’ny hain-trano nitranga teny Tsaramasay Ankazomanga, Boriborintany Voalohany Antananarivo Renivohitra, ny talata 8 jolay vao mangiran-dratsy.....
Nianatra tao amin’ny Centre de l'Alphabétisation Tsaramasay izy fahavelony. Omaly tokony ho tamin’ny 6 ora hariva anefa dia tsy tana ihany koa ny ain-dRabemananjara Jessica, rahavaviny ary zoky manarakaraka azy, 14 taona. Nanovo fahaizana amam-pahalalana tao amin’ny Mosquée Antaniavo izy fahavelony. Mbola tsaboina ao amin’ny HJRA kosa Ramarokoto Juliana, zokin’izy ireo, 18 taona. Efatra mirahavavy izy ireo no iray tampo. Kamboty ray, izay maty tamin’ny taon-dasa. Ny reniny no mitaiza azy ireo. Nandeha namonjy Mosquée vao maraim-be niaraka tamin’ny zanany vavy iray ilay renim-pianakaviana tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. May kila ny trano hazo nitoeran’izy ireo tetsy Tsaramasay ary potika tsy nisy noraisina ny entana rehetra tao anatiny, manaporofo ny hamafin’ny afo sy ny fiantraikan’ny fahamaizana. Tranon’ny fianakaviany etsy Tsaramasay tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny loza no iandrasana ny nofomangatsiakan’izy ireo hatry ny omaly. Any Ambatolampy Antsirabe no toerana handevenana ireo razana rahampitso zoma.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.