Nahatratra 20 isa be izao ny hain-trano niseho teto an-drenivohitra tamin’ity volana Septambra ity, izany hoe iray isaky ny iray andro sy tapany raha atao ny salan’isa, 17 izany tamin’ny volana Aogositra. Nahitana fiakarany izany raha io isa io no jerena niampy ain’olona iray nafoy
Avy amintsika ihany no mahatonga azy ireny raha araka ny fanazavan’ny Sergent Eric, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Anisan’ny lohalaharana amin’izany ny tsy fitandremana raha eo ihany koa ny fialonana sy ny sotasota, hoy ihany izy. Na dia efa fantatra aza, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity fa tsy azo atao ny mametraka labozia ambony latabatra ary mamela azy hirehitra mandrapaharainan’ny andro dia mbola misy manao ihany izany. Toraka izany koa ny fampiasana ireo karazana “fil” kely mitondra herinaratra amin’ny vidiny 700 Ar ny iray metatra nefa fitaovana marobe no hampiasaina aminy...Tokony samy hiezaka ny tsirairay, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity ary hitahiry ireo karazana fitaovana toy ny extincteur na fasika, hahafahana mamono haingana ny afo raha sanatria ka tojo izany. Nomarihiny manokana moa fa mahatratra 350 isan-taona ny hain-trano miseho eto amintsika. Mpanimba fananana izy, mety handoro sy handratra koa no sady mamono olona, indrindra fa amin’ny alina. Vahaolana aroson’izy ireo hisorohana ny loza, araka izany, ny tsy tokony hamelana ny ankizy hipetra-drery satria tsy ho afa-mandositra izy ireny no sady tsy hahafaty ny fiandohan’ny afo. Eo ihany koa ny fametrahana fitaovam-pitiliana sy fanairana ao an-trano mba hanairana ny manodidina ary farany izay tsy kely akory dia ny fiantsoana ny mpamonjy voina amin’ny laharana 118. Nomarihin’izy ireo manokana moa fa ny famonjena trano may, na fiara may ivelan’ny renivohitra no handoavan’ireo mila vonjy solika. Ny eto Antananarivo kosa dia anjaran’izy ireo ihany no mandray an-tanana izany. Rano 1 taonina moa no ilaina raha vao mahatratra 3 minitra ny firehetan’ny afo. Tetikasan’izy ireo lavitr’ezaka ny hametraka mpamonjy voina isaky ny firaisana hahafahana mamaly ny filàn’ny mponina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.