Actualités

Hain-trano tao Tsarasaotra-Antsirabe Maro ny fikambanana nanohana ireo niharam-boina


  • Alakamisy 12 Jona 2014

Tsy nanadino ireo niharam-boina noho ny hain-trano nitranga tao Tsarasaotra ny alahady 01 jona teo ireo fikambanana maro noho ny halehiben’ny fahavoazana.

 Tokantrano niisa 5 no niharam-boina tamin’izany ary tsy manan-kialofana tsy fidiny. Ny alahadin’ny pentekosta teo dia nitondra ny anjara birikiny ny «Groupe Gaston» ka koveta, siao, bodofotsy ary fotsimbary no natolony ireo niharam-boina hiatrehany ny fiainany vonjimaika aloha. «Voin-kava-mahatratra tokoa ka tsy azo atao ny mijery fotsiny ny fahavoazan’ny manodidina», hoy Atoa Rakotondrasoa Gaston, mpitarika ny «Groupe Gaston» ao Antsirabe raha nanolotra ireo fanomezana ny tenany. Nohamafisiny fa tsy fanararaotana ny fahavoazan’ny sasany akory izao fifanampiana izao fa fifanomezan-tanana ihany, satria izay no tena tsy ampy amin’ny mpiara-monina. Mbola mipetraka ao anaty tranolain’ny «Croix Rouge Malagasy» eo an-tokotanin’ny sampandraharahan’ny asa vaventy moa ireo traboina hatramin’izao noho ny tsy mbola fahavitan’ny trano fonenan’izy ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT