Actualités

Hain-trano tao Tanamakoa Kila forehitra ny entana rehetra


  • Alatsinainy 23 Jona 2014

Nitrangana hain-trano goavana tao Tanamakoa tsy lavitra ny tsena ny sabotsy nifoha ny alahady teo tokony ho tamin’ny 01ora maraina.

 Trano fivarotana zava-pisotro avokoa ny ankamaroan’ireo may, izay tsy nisy noraisina ny entana rehetra noho ireo toaka sy alikaola tao anatiny. Tsy fantatra mazava ny tena anton’ny firehetana fa ahiahy ny hoe mety vokatry ny herinaratra izay nohamafisin’ireo toaka tao an-trano ka nampiledaka azy be. Tonga aloha ihany ny mpamonjy voina saingy efa tena nahazo aina ny afo ka ny tsy nitarany tamin’ireo trano manodidina sisa no nataon’izy ireo. Araka ny tombantombana dia tsy lavitry ny 20 tapitrisa Ariary ny sandan’ny entana sy ny fananana may tao anatin’ireo trano fivarotana zava-pisotro sy fipetrahana may ireo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT