Actualités

Hain-trano tao Soanierana Ivongo Tsy misy mpanampy ireo traboina 40 tafo


  • Alatsinainy 14 Jolay 2014

Velon-taraina ny filoham-pokontany ao Ambinagny Atoa Tombozara Rolland fa tsy mba misy mpijery ireo tokantrano 40 traboina noho ny hain-trano nitranga tao Soanierana Ivongo tamin’ny 25 jolay teo

Trano 27 tafo no may tanteraka fa ny 13 kosa voatery noravana mba tsy hitaran’ny afo. Niainga avy amin’ny tranona mpanao jirofo iray ny afo izay tsy fantatra mazava ny antony satria voasaringotra tamin’ilay raharaha sambo nitondra jirofo voalaza fa rendrika ary migadra ao Ambalatavoahangy ny tompony. Misy mpiambina ilay trano saingy tsy hita izy ireo tamin’ny fotoana nirehetan’ny trano, ka heverin’ny olona fa nokaramaina handoro ny trano izy ireo. Ny Kaominina izay nanome vary roa gony sy ny fikambanana AJDM no mba nanampy ireo traboina hatramin’izao. Olana ho azy ireo anefa ny fanarenana ny trano hitoerana. Mpanjono sy mpamboly avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo traboina.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT