HAIN-TRANO

TAO AMBALAVIA, ANDILAMENA


  • Talata 24 Novambra 2026

Trano miisa 15 may,

olona 43 tsy manan-kialofana
Nampalahelo ny zava-nitranga tany amin’ny distrikan’Andilamena ny Alahady 22 Novambra teo, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, tao amin’ny Fokontany Ambalavia, Kaominina Maitsokely. Trano miisa 15 tafo no may kilan’ny afo ka olona miisa 43 no lasa tsy manan-kialofana. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny z andarimariam-pirenena, dia vehivavy iray mpamboly monina ao an-toerana, no nahatsikaritra fofona afo tao an-dakoziany rehefa avy naka rano. Rehefa nijery ny zava-nisy izy dia efa nahita afo nirehitra mafy tao amin’ny trano iray, ka niantso vonjy avy hatrany. Nifamonjen’ny fokonolona teo an-toerana ny famonoana ny afo. Nandray andraikitra avy hatrany moa ireo zandary avy ao amin’ny Poste fixe ao Makoeny, ka nidina teny an-toerana nanao ny fizahana sy ny fanokafana ny fanadihadiana avy hatrany izy ireo. Na dia teo aza ny fahavoazana ara-pitaovana sy ny fahaverezan’ny entana maro tao an-trano, dia tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Miandrandra fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana ireo lasibatra.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny takaitra ratsy navelan’ilay haintrano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahotry ny
  • Zoma 27 Novambra 2026

hahavotsotra ny fivorian’ny SADC ?

  • Dr John Antsirabe
  • Zoma 27 Novambra 2026

"Fandatsana ny

  • Raharaha Ambohimalaza
  • Zoma 27 Novambra 2026

6 afaka vonjimaika,

  • Ady amin'ny
  • Zoma 27 Novambra 2026

hosoka sy heloka ara-toekarena

  • FIFANINANA
  • Zoma 27 Novambra 2026

MISS AFRICA 2026

  • MISESISESY
  • Zoma 27 Novambra 2026

NY HAINTRANO

Hijery ny tohiny
FTT