Hain-trano tany Maharidaza Ambatondrazaka
Olona 30 tsy manan-kialofana
vary akotry vao niakatra teo, lelavola 800.000 ariary miampy ny kojakoja ao an-tokantrano. Olona 30 eo ho eo no tsy manan-kialofana. Nidina tany an-toerana nampahery ireo fianakaviana traboina ireo ny lehiben’ny faritra sy ny mpiara-miasa aminy. Nanolotra vary 200kg miampy sceau sy lovia ary lamba firakotra izy ireo tamin’izany. Lehibe ny fahavoazana nanjo ireo ankohonana may trano ireo ka manao antso amin’ny malalatanana rehetra ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro Ramandehamanana Richard mba hitondra izay zaka hanampiana azy ireo. Noderainy manokana ny fifanampiana teo amin’ny mpiara-monina. Zava-dehibe ny fifanomezan-tanana amin’ny voina tahaka izao, hoy izy. Hatreto, tsy mbola fantatra mihitsy ny antony nahatonga ny afo, fa izy efa mijoalajoala no nanaitra ny rehetra. Marihina fa tafo bozaka avokoa izy ireo ka izay no nahaigana ny fiparitahan’ny afo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.