Actualités

Hain-trano nahatsiravina 3 mirahavavy be izao niara-rotiky ny afo


  • Alarobia 09 Jolay 2014

Nitrangana hain-trano nahatsiravina teny Tsaramasay Ankazomanga omaly vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany maraina

. Ankizy telo mirahavavy iray tampo no lasibatra tamin’izany. Zanak’olona sahirana ara-pivelomana mipetraka amin’ny trano hazo izy ireo. Ramarokoto Juliana, 18 taona no zokiny indrindra, Rabemananjara Jessica 14 taona eo antenantenany ary Ralison Valimbavaka 9 taona ny zandriolona tamin’izy ireo. Raha araka ny fanadihadiana natao dia nandeha vao maraina nandao azy telo mirahavavy ireto ny reniny sy ny zandrin’izy ireo iray, namonjy Mosquée hivavaka. Tamin’izay fotoana izay indrindra anefa no nodonin’ny voalavo ny labozia nirehitra tao an-trano ka niteraka izao voina mahatsiravina izao. Ny hazo nandrafitra ny trano nongotana no nahafahan’ny Fokonolona nanavotra ny ain’izy ireo ankoatra ny rano nentina namonoana ny afo. Na izany aza efa tena masaky ny afo tanteraka izy telo, noho izy ireo mbola tao anatin’ny torimaso. Vokany, mbola velomina tao amin’ny trano fameloman’ain’ny HJRA ilay zokiny vavimatoa tamin’ny fotoana nandalovanay teny an-toerana. Mbola any amin’ny efitrano fandidiana diovina sy karakaraina kosa ilay vaviaivo raha efa nahazo trano fitsaboana azy ilay faravavikely. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera sendra anay moa dia efa noraisin’ny hopitaly an-tanana avokoa ny fikarakarana azy ireo tamin’io andron’ny omaly io, anisan’izany ny fanafody. Na izany aza dia mangataka fanampiana sy tolo-tanana avy amin’ny tsara sitrapo ny fianakavian’izy ireo mba hahafahana mandrindra ny fitsaboana araka ny tokony ho izy. Nilaza ny handray an-tanana ny fitsaboana azy ireo ny vadin’ny filoham-pirenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT