Hanolotra sakafo malagasy azon’ny rehetra jifaina eny amin’ny kianjan’Andohalo manomboka ny sabotsy ho avy izao ny fikambanana WTA ao anatin’ilay hetsika : “Haify Mampihavana”andiany fahefatra.
Tafiditra ao anatin’izany ireo teratany vahiny izay hampahafantarina manokana ny tsiron’ny sakafo Malagasy amin’ny alalan’ny hanim-pitoloha mihitsy. Noho ny firoborobon’ny teknolojia mantsy raha araka ny fanazavan-dRtoa Irene Andreas, filohan’ny fikambana “Women Tourism Association” dia tsy betsaka amintsika Malagasy no tsy mahay mihinana sakafo Malagasy firy intsony na efa manadino mihitsy. Ho an’ny ankizy dia betsaka ireo tsy mahay mihinana vomanga, tsy mahalala ny otrikaina entina akory, ny fomba fikarakarana azy izay notsindriany fa tena maro karazana tokoa. Ny Sefo Mariette moa hiangaly ireo karazana hanimpitoloha aroso arahin’ny varotra fampirantiana ireo karazam-boankazo misy eto amintsika toy ny fary. Hisy ihany koa ny fanandraman-tsiron-tsakafo Espanola hotanterahin’ireo sefo manam-pahaizana amin’izany. Haharitra roa andro ny hetsika. 500 Ar ny vidim-pidirana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.