Actualités

Haifitaterana sy fadin-tseranana “Mbola malalaka ny tsenan’asa eto amintsika”


  • Zoma 31 Martsa 2023

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny Espace Fenitra By pass ny andiany

Kintana” amin’ireo mpianatra nandranto fianarana momba ny haifitaterana sy fadin-tseranana na “transit et douane” teo anivon’ny sekoly ambony tsy miankina INSPNMad. Miisa 74 ireo nahazo ny diplaoma DTS na Bacc+2 ary 56 no nahazo ny Bacc+3 na licence, hoy ny fanazavan’I Andrianarimahatratra Tolojanahary Andoniaina Alita, tomponandraikitry ny varotra sady mpampianatra eo anivon’ity sekoly ambony ity. Izany hoe mpianatra miisa 130. Ireo misehatra eo amin’ny fanondranana sy fanafarana entana izay nianatra teto Antananarivo ireo navoaka ireo. Ireo nahazo ny DTS moa mbola mila manohy ny fianarana natao fa ireo nahazo ny licence kosa dia efa afaka miditra amin’ny sehatry ny asa. Nanao fizaran’asa ireo fony izy taona faharoa ka noho izany dia efa afaka miasa amin’ireo toeram-piasana nanaovany fiofanana. Misy koa moa ireo sasany eo an-dalam-pitadiavana asa. Tokony ho sehatra mora ahitana asa hatrany amin’ny ankapobeny ity lalam-piofanana ity satria mbola malalaka eto amintsika ny tsenan’ny fanafarana sy fanondranana entana. Tsy tokony hanan-tahotra amin’ny fitadiavana asa noho izany ireo tanora niofana momba izany. Ho anay eto amin’ny oniversite moa dia mbola raisinay an-tanana ny fitadiavana asa ho azy ireo amin’ny alalan’ireo orinasa mpiara-miasa aminay, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT