Tena mitodika sy manantena zavatra sy
fiovana lehibe ho entinao ny vahoaka Malagasy amin' izao vanimpotoana sarotra lalovan' ny firenena izao », hoy ny Profesora Jonah Ratsimbazafy omaly, raha nampita hafatra tamin’ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael niainga tamin’ny pejin-tseraseray. Notsipihiny fa tsy te hitsiriritra izay vitan' ny Filohan’i Burkina Faso Ibrahim Traoré fa kosa lehilahy nosoran-dreninao menaka koa ny filohantsika ka aza mandraraka ilo mby an-doha, hoy hatrany izy. « Izao tompoko no fotoana fa tsy rahampitso hitondrantsika miaraka ilay fanovana. Aza miandry ny olana efa sarotra vahana vao manova famindrana sy maka fanapahan-kevitra. Misy fiteny hoe « un leader efficace est suivi par des suiveurs effectifs ». Tsy ho irery ianao amin' izay ady ho atrehinao fa miaraka aminao ny vahoaka. Ianao rahateo olona matahotra an' Andriamanitra. », hoy hatrany i Pr Jonah Ratsimbazafy. Nambarany fa ho betsaka ireo olona hiteny amin’ity Filoham-panjakana ity hoe izao atao sns…, ary mety hijoro ho fahavalo mihitsy aza rehefa tsy arahina ny teniny fa izao foana no teny filamatra ho an' ny tombontsoan’ny vahoaka ve izany ? Rafitra ny tena hovaintsika, hoy hatrany ity manam-pahaizana isan’ny reharehan’i Madagasikara sy fanta-daza eran-tany ity. « Raha hiteny aho hoe Andao tsy hanafatra vary intsony isika fa aleo omena ny tantsaha Malagasy ny vola be lasan ny firenena vahiny amin' io vary hafaran'ny fanjakana io. Mety ho mafy ny fihafiana ao anatin ny 2 taona fa afak' izay dia hahavita tena ara-bary aloha isika. Ohatra iray ihany izany fa ny fahaizana mitantana io tontolo iainana sy « économie bleue » io fotsiny aza dia efa tokony ahatafavoaka antsika tsy ho firenena mahantra intsony. », hoy hatrany izy naneho am-pahatsorana ny fomba fijeriny hanatsarana ny Firenena. Mbola nampiany fa hoe : « Omeo Fanamby hanao fahagagana hamaly ny filan’ny firenena ny mpikaroka Malagasy fa vitany izany. », hoy hatrany i Pr Jonah Ratsimbazafy, izay raha halalinina dia zava-dehibe ny fanomezana sehatra sy fanohanana ireo manam-pahaizana Malagasy, izay tena afaka mitondra rondohany bsy fahaiza-manao hanasoavana ny tanindrazana. Nanipika ny tenany, fa sanatria tsy hanome lesona akory fa ny firenena iaraha manana. Narahiny fitsofan-drano ho an’ny Filoham-panjakana vaovao hahaleo ahalasana, ka nilazany fa te hatikambo manana Filoha mahay ny Malagasy.
Toky R
Le Sommet extraordinaire des chefs d’État et de gouvernement de la Troïka de l’Organe de la Communauté de développement de l’Afrique australe (SADC), réuni par visioconférence ce 16 octobre 2025, a exprimé la volonté de la SADC de jouer un rôle de médiateur dans les négociations en cours à Madagascar.
Il a également approuvé le déploiement en urgence d’une mission technique composée des États membres de la Troïka, avec l’appui du Secrétariat de la SADC, chargée d’effectuer une mission d’établissement des faits à Madagascar avant le 22 octobre 2025, et de présenter ses conclusions au Président de l’Organe d’ici le 31 octobre 2025.
Le Sommet a décidé de convoquer rapidement une nouvelle réunion extraordinaire de la Troïka afin d’examiner le rapport sur la situation politique et sécuritaire à Madagascar.
Parallèlement, le Secrétariat de la SADC a été chargé de mener des consultations avec plusieurs partenaires stratégiques, notamment la Commission de l’océan Indien (COI), l’Union africaine (UA) et les Nations unies (ONU), afin d’assurer la coordination et la complémentarité des initiatives engagées à Madagascar.
Le Sommet a en outre approuvé la réalisation d’une évaluation globale de la mise en œuvre de la feuille de route de sortie de crise dans le pays. Cette démarche sera conduite par les États membres de la Troïka, en collaboration avec le Comité des Sages, le Groupe de référence pour la médiation et le Secrétariat de la SADC, afin d’identifier les points en suspens et de préciser les formes d’appui nécessaires à la pleine application des recommandations établies.
Rejoignez notre chaîne WhatsApp
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.