Notokanana ny Sabotsy 19 Jolay lasa teo ny foibe toeran’ny HAFARI Malagasy ao Antsirabe ka tonga nametraka izany tamin’ny fomba Ofisialy mihitsy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, filoha Nasionalin’ny HAFARI Malagasy
Nisy ny fihaonany nivantana tamin’ireo mpikambana tany an-toerana ka nampahafantaran’ity filoha ity fa ny fiarovana amin’ny herisetra, ny fanoherana ny tsindrihazolena ary ny ady ho an’ny sosialim-bahoaka no tena ataon’ny fikambanana. Ankoatra izay dia nisy ny loabary an-dasy manodidina ny olana amin’ny fananan-tany ka nanazavan’ny manampahaizana tamin’ireo nanatrika ny ady tokony hatao amin’izany. Nambaran’ny filohan’ny fikambanana Hafari fa anisan’ny tsy nampandroso an’i Madagasikara ny fanonganam-panjakana hatramin’izay ka tokony hametraka fanjakana matanjaka amin’izay ny Malagasy. Tsy atao fananan’ny Emmo-Reg na volabe atobaka etsy sy eroa akory izy io fa fanetsehana ny vahoaka 22 tapitrisa amin’ny fampandrosoana. Ny vahoaka maro an’isa no mila jerena ny asa tokony hiteraka fampandrosoana, hoy izy, satria ny olona no harena. Hafatra moa no netin’ity filoha nasionaly ity manerana an’i Madagasikara ka nilazany fa aoka izay ny fieritreretana ny vahoaka sasany tsy ho olombelona fa samy afaka mampandroso an’i Madagasikara avokoa ny rehetra na dia betsaka aza ny manampahaizana diso tafahoatra ary misy ny miaina anaty fahantrana lalina izay heverina fa bado sy tsy nianatra ka ireny no anjaran’ny fiarahamonim-pirenena ny miaro azy. Mandray olona manomboka izao ity birao vao nosokafana ity ka fantatra nandritra ny fihaonana voalohany fa betsaka sahady ny olana momba ny ady tany eto Antsirabe izay hiandrasan’ireo mponina fanampiana amin’ny Hafari. Tsetsatsetsa tsy aritra no nilazan’Atoa Jean Nirina fa hotokanana ny zoma antoandro izao ilay trano misy rihana nandanian’ny Hafari Malagasy 4 hetsy sy 3 tapitrisa ariary (17 millions fmg) ho azy mianaka niharam-boina tetsy Tsaramasay. Efa mivoaka sy heno amin’ny haino aman-jery ao an-drenivohitra koa ireo hira miventy fiarovana ny zon’olombelona novokarin’ny tarika artistika Hafari Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.